<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.O.C. Zinck</author>
<hymn_number>562</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Miandry ao ambony
 Ny fifaliana ;
 Atý tsy mety tony
 Ny fahoriana,
 Ka tonga sesilany
 Ny fitarainana ;
 Arý tsy hita lany
 Ny hasambarana.

[V2]
 Variana mikoràna
 Ny tsy misaina be,
 Ny hendry dia mitana
 Ny hevitra hoe :
 Aleoko mitomany
 Noho ny otako ;
 Ny lanitra ihany
 No fianinako.

[V3]
 Ny lalan'ny adala
 Tsy mba harahiko,
 Tsy mampisalasala
 Izay anjarako ;
 Ny sasany mikendry
 Ho afa-po atý,
 Izaho dia miandry
 Ny lovako arý.

[V4]
 Izaho manantena
 Anao, ry Tompo ô !
 Ka hobim-pamonjena
 No hoventesiko ;
 He, vetivety ihany
 No hiaretako,
 Tsy ela dia hankany
 An-tanindrazako.</lyrics>
<title>Miandry ao ambony FFPM562</title>
</song>